Acts 25

1Ankehitriny, Festony niditra tao amin’ny faritany, ary telo andro taty aoriana, dia niakatra avy tao Kaisaria izy ho any Jerosalema. 2Ny lohan’ny mpisorona sy ireo Jiosy manan-kaja dia nitondra fanamelohana hiampangana an’i Paoly, ka namporisika azy 3sy nangataka taminy izy ireo mba hampidi-doza an’i Paoly_ ka mety hampiantso an’i Paoly ho any Jerosalema Festosy mba afahan’izy ireo mamono azy eny an-dalana.

4Kanefa Festosy namaly fa gadra ao Kaisaria Paoly, ary izy tenany dia hiverina any tsy ho ela. 5“Noho izany, ireo izay afaka,” hoy izy: “dia tokony handeha hiaraka aminay ho any. Raha nanao zavatra tsy nety ilay lehilahy, dia tokony hiampanga azy ianareo.”

6Festosy dia tsy nijanona nihoatry ny valo na folo andro ary avy eo nidina nankany Kaisaria, ary ny andro manaraka dia nipetraka teo amin’ny toeran’ny fitsarana izy ary nandidy an’i Paoly mba ho entina any aminy. 7Rehefa tonga izy, dia nipetraka teo akaiky teo ireo Jiosy avy any Jerosalema, ary nitondra fiampangana goavana maro izy ireo izay tsy afaka noporofoin’izy ireo. 8Niaro-tena Paoly ary niteny hoe: “Tsy nanao zavatra ratsy manohitra ny lalàn’ny Jiosy aho na manohitra ny tempoly na manohitra an’i Kaisara.”

9Saingy nitady izay ahazoana ny fankasitrakan’ireo Jiosy i Festosy, ary noho izany dia namaly an’i Paoly izy ka niteny hoe: “Te-hiakatra ho any Jerosalema ve ianao ary ho tsaraiko momba ireny zavatra tany ireny? 10Hoy Paoly hoe: “Mitsangana eto anoloan’ny seza fitsaran’i Kaisara aho izay tsy maintsy hitsarana ahy. Tsy nanao ratsy ny Jiosy aho, araka ny efa fantatrao tsara.

11Kanefa raha nanao ratsy aho ary raha nanao izay mendrika ny fahafatesana, dia tsy mandà ny ho faty. Fa raha tsy misy ireo fiampangan’izy ireo, dia tsy misy olona afaka mitondra ahy ho any amin’izy ireo. Mangataka an’i Kaisara aho.” 12Rehefa avy niresaka tamin’ny filan-kevitra Festosy, dia namaly izy hoe: “Nanagataka an’i Kaisara ianao. Any amin’i Kaisara no handehananao.

13Ary taorian’ny andro vitsivitsy, dia tonga tany amin’i Kaisaria i Agripa mpanjaka sy Berenika mba hamangy an’i Festosy. 14Taorian’ny naha tao azy nandritry ny andro maro, dia natolotr’i Festosy teo amin’ny mpanjaka ny raharahan’i Paoly; niteny izy hoe: “Nisy lehilahy iray navelan’i Felix aty toy ny gadra. 15Rehefa tany Jerosalema aho, dia nitondra fiampangana ity lehilahy ity taty amiko ireo lohan’ny mpisorona sy ireo loholon’ny Jiosy, ary nangataka teny fanamelohana ho azy izy ireo. 16Namaly azy ireo aho fa tsy fomban’ireo Romana ny manolotra olona mialohan’ny hiatrehany ireo mpiampanga azy sy hananany fahafahana hiaro-tena amin’ireo fiampangana.

17Noho izany, rehefa niara-tonga teto izy ireo, dia tsy niandry aho, fa ny andro manaraka dia nipetraka teo amin’ny sezan’ny fitsarana aho ary nibaiko ny ampidirana ilay lehilahy. 18Rehefa nitsangana ireo mpiampanga ka nanameloka azy, dia noheveriko fa tsy nisy goavana ny fampiangana nentin’izy ireo ho azy. 19Fa kosa, nifamaly izy ireo mahakasika ny fivavahan’izy ireo manokana sy momba izany Jesosy izay maty izany, izay nambaran’i Paoly fa velona. 20Tsy azoko antoka ny fomba hanadihadiana ity tranga ity, ary noho izany dia nanontaniako izy raha vonona ny ho any Jerosalema mba ho tsaraina any momba ireo fiampangana ireo.

21Fa rehefa nangataka ny hijanonana ao am-ponja mba hiandry ny fanapahan-kevitry ny Amperora i Paoly, dia nandidy azy aho mba ho tazomina ao am-ponja izy mandra-pandefasako azy any amin’i Kaisara.” 22Agripa niresaka tamin’i Festosy hoe: “Te-handre ity lehilahy ity ihany koa aho.” “Rahampitso,” hoy Festosy: “Handre azy ianao.”

23Ka ny andro manaraka, dia tonga niaraka tamin’ny lanonana marobe Agripa sy Berenika; nankao amin’ny efitrano lehibe niaraka tamin’ireo miaramila mpifehy sy ireo lehilahy manan-kaja teo amin’ny tanàna izy ireo. Rehefa niteny ilay didy Festosy, dia nentin’izy ireo Paoly. 24Hoy Festosy hoe: “Agripa mpanjaka, sy ianareo lehilahy rehetra izay miaraka aminay eto, itanareo ity lehilahy ity; ireo vahoakan’ny Jiosy rehetra nifanaraka tamiko tany Jerosalema sy eto ihany koa, dia nitaraina tamiko izy ireo fa tsy tokony ho velona intsony izy.

25Fantatro fa tsy nanao na inona na inona mendrika ny fahafatesana izy; fa satria nangataka ny Amperora izy, dia nanapa-kevitra aho ny handefa azy. 26Saingy tsy misy zavatra manan-danja ho soratako any amin’ny Amperora. Noho izany antony izany, dia nentiko teo aminareo izy, indrindra aminao, Agripa Mpanjaka, mba afahako manana zavatra ho sorotana bebe kokoa momba ilay raharaha. Satria toa tsy mety amiko ny mandefa gadra sy tsy milaza izay hiampangana azy koa.

27

Copyright information for PltULB